«Jôkôsô – Festival du Rire». Fizarana ataon’i Gothlieb sy ireo sangany eo amin’ny hatsikana malagasy no hamaranana ny «Jôkôsô – Festival du Rire» amin’ity anio ity. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana ahitana ireo mpanao hatsikana maro samihafa eny amin’ny Plaza Ampefiloha. Anisan’izany i Dadavy, Francis Turbo, Sombiniaina Fotsiny….
«Festival Madajazzcar». Ankoatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny dinika tarihin’i Martin Budel, mpikaroka sy mpahay tantara. Resahina ao anatin’izany ny tantaran’ny Jazz teto Madagasikara. Anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, no hanatanterahina izany hetsika izany.
Fampiaraham-peo etsy amin’ny CCEsca. Efa ela no tsy tafaraka an-tsehatra i Rija Ramanantoanina sy i Haingo. Fantatra kosa fa hiray sehatra indray izy ireo, rahampitso alahady manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Ireo hira fampiaraham-peon’i Rija Ramanantoanina no iarahany mamelona amin’i Haingo amin’io fotoana io. Efa nataon’izy ireo taloha rahateo izany.
Mozika « Rock ». Hifampizara sehatra eny amin’ny Point d’exclamation Analakely, ny Alahady 15 oktobra 2023, manomboka amin’ny 2 ora sy 30 minitra, ny tarika The Hornestone” sy ny “Igraygore”. Seho “Rock” zato isan-jato no entin’ireto tarika roa ireto, ary samy haneho ny maha izy azy ny roa tonta ao anatin’izany.