Tselatra

Arahi-mason’ny fitsarana, Randriamasinoro Rina, mandra-piandry ny fitsarana azy ny 31 oktobra izao. Niakatra ny fampanoavana tetsy Anosy, omaly ny tenany ary nalaina am-bavany. Tsiahivina fa nohazonina teny Fiadanana, nanomboka ny 2 oktobra teo izy, rehefa nosamborina tetsy Analakely.

 

Dahalo telo lahy voasambotry ny zandary tao Fiadanana, kaominina Tsiafahy, ny 9 oktobra teo. Nitrangana halatra omby tao amin’io kaominina io, ny alahady 8 oktobra ka lasan’ny dahalo ny telo. Niezaka nanao fanarahan-dia, tamin’io fotoana io ihany, ny tompon’omby sy ny zandary. Tsy nivoaka ny kaominina anefa ireo olon-dratsy rehefa natao ny fanadihadiana lalina. Niantsoana mpitandro filaminana ny  lehilahy iray nampiahiahy ny fokonolona.

Maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana ny dahalo iray  tao sakaraha, kaominina ambanivohitr’i Beraketa, afakomaly. Nikasa hangalatra tao amin’ny fokontany Amparambato ireo mpandroba. Naharay fampahafantarana anefa ny zandary ka tonga ara-potoana. Raikitra ny fifandonana ka lavo ny iray tamin’ireo dahalo.

Rongony 600 kg saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Saint-Augustin, kaominina Beheloka, distrika Toliara II, ny 6 oktobra lasa teo. Notanterin’ny roa lahy tamin’ny lakana ireo entana ireo. Manoloana ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, nanao paikady ny zandary hanatrarana ireo tompon’antoka. Nogiazana teny amin’ireo mpivoy lakana roa lahy ireo gony nisy ny rongony.

Partager sur: