Seho telo no kasain’i Johasina ho tontosaina mandritra ny “Tsy revin-gadra Tour”. Efa vita ny tetsy amin’ny La Teinturerie, ny 29 septambra, sy ny tany amin’ny Bar’Haingo Antsirabe, ny 7 oktobra, tao anatin’ny hetsika “Madajazzcar”. Hofaranan’ity mpanakanto ity anio kosa, ny andian-tseho izay nomaniny eto an-tanindrazana.
Hotontosaina eny amin’ny Sambalia Antsahavola, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ny seho. “Ora roa eo ho eo no iarahantsika, hanolorana ireo hira efa fantatra sy ireo vaovao, voarakitra anatin’ny rakikira”, hoy i Johasina. Anisan’ireny ireo hira nahafantarana voalohany ity mpanakanto ity, toa ny “Fahatsiarovana”, “Miverena”, “Omeo fijery mamy”, sns. Ireo tanora mpitendry matihanina efa niara-nilalao mozika taminy hatrizay ihany no hifampizara ny sehatra amin’i Johasina.
Mivelatra be ny mozikan’i Johasina. Mihodidina ny jazz, ny pop, ny soul, sns, raha tarafina amin’ireo vokatra anatin’ny rakikira “Tsy revin-gadra intsony”. Namaritra ny safidiny ny lalany teo amin’ny mozika, raha ny fitantaran’ity mpanakanto ity. “Teo amin’ny faha-12 taonako aho no nanomboka niditra tanatin’ny mozika. Tia mihira, tia mitendry gitara ary ao anatina fianakaviana milalao mozika. Nanamarika ahy ny sanganasan-dry Doold Play, Maroon 5, sns”, hoy izy. Ny tarika First Truth no nisy ity mpanakanto ity voalohany, ary namoaka ny hira “Christmas day” izy ireo. Nanangana ny tarika Rai’ian avy eo, ka namoaka ny hira “Ampy ahy”. Taorian’izay no nisafidy hikopa-kelatra irery i Johasina.
Zo ny Aina