VAOVAO TAMBATRA

Miahiahy amin’ny asa fivelomany indray ny mpivarotra etsy Analakely sy ny manodidina, manoloana ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana. Voa­helingelina ny fidiram-bolan’izy ireo. Tsy ampy hanodidina ny tsena ny vola miditra ho azy ireo noho izy voaelingelina amin’ny asa fivelomany.

Mikatona manomboka rahampitso 15 okotobra ka hatramin’ny 15 desambra izao ny fanjonoana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tokony hanao fanambarana momba ny fitaovana hampiasainy amin’ny vanim-potoana manaraka kosa ireo mpiantsehatra rehetra.

Nahazo fampitaovana tablettes miisa 50 sy chargeurs solaires miisa 50 avy amin’ny tetikasa “Pro­di­gy” ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Entina hanamafisana ny fitaovana sy ny fahaiza-manaon’ny tantsaha manerana ny faritra 23 amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra izao fampitaovana izao.

Mitentina 387 845 676Ar ny “credits d’investissement” ao anatin’ny tetibola 2023 avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ho an’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Entina hanomanana ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena no anton’izany.

Partager sur: