Ambanja : Vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra

Mitohy hatrany ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ho tombontsoan’ny besinimaro. Ankehitriny, vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (central solaire), CS ao Ambanja. Hanana tanjaka 825KWc ny fotodrafitrasa, ampian’ ny milina mpihary herinaratra miisa efatra. Ny roa hanome tanjaka 660KW, ny roa hafa kosa hanome 392KW. Tombon­tsoa goavana ny fananana ity fotodrafitrasa ity, manodidina ny 4 675 ny mponina hisitraka ny tetikasa. Natao izany hialana tsikelikely amin’ny fampiasana ny gazoala sy ny solika mavesatra (HFO) amin’ny famokarana herinaratra eto an-toerana. Fa indrindra ho fiarovana ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ihany koa ny fampiasana ny angovo azo havaozina mba hisitrahan’ny daholobe ny herinaratra. Tsiahivina fa mitotaly 78 ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro hapetraka eto Madagasi­kara, anisan’izany ity atao ao Ambanja ity. Misy ireo efa tafapetraka toy ilay ao Ankorikihely, kaominina ambanivohitra Ramena, distrikan’Antsiranana faha II, volana vitsy lasa izay. Manana tanjaka 2,4 MWc ka mahatratra 4 735 MWh isan-taona ny herinaratra vokarin’ilay CS.

Henintsoa H.

Partager sur: