Baolina kitra: lany ho filohan’ny FMF Andriamanampisoa Alfred

Hitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mandritra ny taom-piasana manaraka, Andriama­nam­pisoa Alfred. Ligim-paritra 14 na­nome fitokisana azy hitondra izany mandritra ny efa-taona.

Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny sabotsy 14 oktobra lasa teo, ny fivoriambe nifidianana izay ho mpitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ho an’ny taom-piasana 2024-2027. Lany hitondra izany Andriamanampisoa Alfred, nahazo vato 14. Samy nahazo vato 4 avy kosa Rakotomamonjy Neypatraiky sy Astina Douglas raha 0 ny an-dRakotomalala Stanislas sy Andrianony Victorien. Tsy olom-baovao amin’ny tontolon’ny baolina kitra i Alfred A. fa efa filoha lefitra voalohany tao amin’ny FMF ihany. “Misaotra an’Andriamanitra ary misaotra ny filoham-pirenena nanaiky nirotsahako. Mankasitraka ireo ligy rehetra na nifidy ahy na ireo tsy nifidy fa hiara-hiasa isika. Tanjoko ny hanaovan’ny Barea Mondial amin’ny 2026. Hatsaraina ny kalitaon’ny fifaninanana. Hampiana ireo klioba hiatrika ny fifaninanana afrikanina”, hoy izy.
Miavaka kely ity federasiona ity, noho ny tsy fisian’ny vehivavy mandrafitra ny komity mpitantana. Ankoatra izay, 2 ihany ireo mpikambana teo aloha ny hany tafaverina indray dia i Mario sy i Erick. “Miara­haba ny filoha vaovao ary manantena fa hampandroso marina ny baolina kitra ny vina apetrany”, hoy Rakotomanana Henin­tsoa (Tôta), filohan’ny ligin’ Analamanga. Nanatrika ity fivoriambe ity ireo solontenan’ny FIFA sy ny CAF, ny Co­sa­fa sy ny KOM ary ny MJS.

Tompondaka

Ireo mpikambana vaovao ny FMF
Filoha : Andriamanampisoa Alfred
Komity mpitantana : Rabe­va­­hiny Arleme ; Rosario Mario ; Ratovohery Soloni­rina ; Pon­tiav Theophan ; Edouard Benja­min ; Tsitoara Serge ; Tanteliniaina Angelin ; Rave­loarison Erick ; Rakotoarisoa Jhonny ; Ratsi­ma­notry

Partager sur: