25 taona nampintana ny kanto, ny kolontsaina, ny vaovao ary ny soatoavina lalainy ny onjampeo Feon’Imerina. Nandritra izay 25 taona izay, nanana ny mpanaraka sy mpankafy azy ny radio. Taorian’ny fampisehoana fanokafana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, nitohy tamin’ny fitsangantsanganana lehibe indray ny fankalazana, ny sabotsy lasa teo. Nifamotoana teny amin’ny Kianja Maitso Alasora ireo mpankafy sy mpihaino ny Radio Feon’Imerina, nihaona nivantana tamin’ireo mpiasa manodina ny onjampeo ary ireo mpanakanto namana izay tonga maro dia maro tokoa.
“Tonga marobe ny mpihaino sy ny mpankafy. Nampihetsi-po anay mpikarakara ny fahatongavan’ireo mpanakanto marobe, nandray anjara nanafana ny lanonana”, hoy ny filazan’i Ndrema, mpanentana sy tomponandraikitra ao amin’ny onjam-peo. Ankoatra ny maha fitsangantsanganana azy, nisy ny sehatra goavana, izay nampiainan’ireo mpanakanto mivantana ny sangananasany. Tarika any ho any amin’ny 20 no nifandimby, nahitana an-dry Solika, Gasy Miangola, Imangarivo, Ry Voahary (Kabôsy), Tarika Filah, Ralanto, Mbola Rabarivola (zanak’i Romule), Doda (Ny Voamaintilany), Jean Andriamanantena (Andre Titys), ny Valiha Académie, sns.
Efa fikarakaran’ny Radio Feon’Imerina ihany ny fitsangantsanganana sy ny fihaonana amin’ny mpankafy, fa anisan’ny lehibe indrindra iny tontosa ny sabotsy teo iny. Fantatra fa mbola hisy tohiny ny fankalazana ny faha-25 taona, izay ambaran’ny mpikarakara manaraka eo.
Zo ny Aina