Fiba 3×3 World Tour Shanghai: laharana fahatelo i Madagasikara

Tsara ny vokatra ho an’ny ekipa solontena malagasy “Anta­­nanarivo”, nandritra ny fifaninanana “Fiba 3×3 World Tour”, natao tany Shanghai, ny faran’ny herinandro teo. Dinga­na lehibe no vitan’i Elly, i Arnol, i Ricky ary i Livio, nanoloana ireo ekipa goavana sy kalaza maneran-tany. Laha­rana fahatelo no misy an’i Ma­dagasikara, taorian’ny lalao manasa-dalana nifanandrinana tamin’ny ekipan’ny Ulaan­baatar Mongolie. Isa 22 no ho 12 no nandavoan’ity ekipa ity ny ekipa malagasy. Rehefa natao ny fanisana ny totalin’ny isa, ta­fa­petraka teo amin’ny laharana fahatelo ny ekipa Antana­narivo. Raha hiverenana ny lalan’ny ekipa Mala­ga­­sy, fandresena 2 no norombahin’izy efatra mirahalahy, izay nandreseny ny ekipan’ny Futian, avy ao Chine, tamin’ny isa 21 no ho 18 ary ny nahazoany ny fandresena, na­noloana ny Vienna, tamin’ny isa 21 no ho 20, lalao ampahefa-dalana. Tsiahivina fa ity ekipan’ny Vienna ity no tompondaka farany ary ny Ulaanbaatar Mon­go­lie, kosa ny nahazo ny fandresena tao amin’ny vondrona nisy an’i Madagasikara. Teo amin’ny “Concours Tir” kosa, nahazo isa 8 i Elly ka teo amin’ny laharana fahefatra no nisy azy.

Mi.Raz

Partager sur: