Hotanterahina ny 24 hatramin’ny 28 oktobra 2023, ao amin’ny efitrano Dox, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny «herinandron’ny Havàtsa UPEM- 2023», hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-71 taonan’ity fikambanana ivondronan’ny Malagasy mpanoratra sy poeta ity. Antsan-tononkalo, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, varotra sy fampirantiana. Ireo no ho hita eny an-toerana mandritra izany fankalazana izany. “Velona ho velona ny haisoratra, 71 taona nanavàtsa”. Hiaraka hankalaza izany faha-71 taonan’ny fikambanana Havàtsa Upem ny mpisehatra eo amin’izany fanoratana izany. Hanokatra ny hetsika ny “Talata fanombohana” hanatanterahina ny lanonam-panokafana sy hetsika maro samihafa. Hitohy amin’ny “Alarobia miverina” izany ny ampitson’io, hanaovana ny tafa sy velakevitra isan-karazany. Hahazo sehatra manokana kosa ny mpiantsa tononkalo mandritra ny hetsika atao amin’ny “Alakamisy manavàtsa”. Mandritra ny “Zoma misampana” kosa no tafa sy seho an-tsehatra miaraka amin’ireo sampana eo anivon’ny fikambanana. Ny “Sabotsy mifandray” no hamaranana ny hetsika, hanatanterahina ny fanamafisana orina ny fikambanana.
Lin