Hevitra mievotra

 

Izay tsy miady, olom-bodo; ny to fo, mamosavy. Ny isavorovoroan-kilantoana. Ny heloka ibabohana, mody ho rariny; ny marina itompoana, mody ho heloka… Inona koa? Heverina ho fahendrena malagasy avokoa izany. Mbola mitoetra sy ekena ho marina ary iainana hatramin’izao? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Na izany aza, misy hatrany ny mitompo teny fantatra, mihevitra fa ny hevitra iray rehefa idrikinana mafy sy mandavantaona dia marina, ekena, tokony harahina… Nefa eo amin’izay lazaina sy atao, tsy izay aseho loatra no maha izy azy ny olona iray fa izay afeniny amin’izany: inona? Ny tsirairay koa no mandini-tena hahalalany ny hafa, na mandinika ny hafa halalalany ny tenany: iza marina izy, aiza ho aiza, ho aiza… ?
Ao anatin’izao fampielezan-kevitry ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao, fafy katrana ny hevitra etsy sy eroa: inona ny marina, azo ekena, tokony harahina… ? Ny tsirairay no mandinika, mitsara, manapa-kevitra… Ho aiza? Misy ny hevitra mievotra, hevitra taingina, hevi-potsy… Adin-tserasera? Arakaraka ny fifandanjan-kery ihany io: politika. Mitsoka mankaiza àry ny rivotry ny tantara na mirona aiza ny ankamaroan’ny vahoaka na ny herim-bahoaka amin’izao? Ny tsy fiheverana sy ny tsy fanomezan-kasina ny vahoaka no anisan’ny mahavoafitaka sy mampamita-tena ny mpanao politika sasany. Mihetsika ho azy ny vahoaka rehefa mby amin’izay tsy zakany, na tsy misy mpitarika aza; tsy zaka koa rehefa tsy hihetsika sy tsy miteny, na misy mpitarika aza.
Iza àry no tena mihevitra izay vahoaka izay amin’izao? Na mbola misy hatrany ny mitady sy miady azy ho fitaovana politika, rehefa tsy voalamina an-dapa na an-taratasy ny olan’ny mpanao politika… Hevitra mievotra? Jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana na ho aiza na ho aiza…

R. Nd.

Partager sur: