INDRAY MIJERY

Notolorana fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, pensilihazo, solaitra ireo mpianatra miisa 55 tra-boina tamin’ny haintrano tao amin’ny fokontany Amba­lahosy Atsimo, kaominina Kianjavato, Cisco Mananjary, tamin’ity herinandro ity.

Nisy ny fifanakalozana traikefa teo amin’i Madagasikara sy India, indrindra teo amin’ny fandrindrana ho an’ny mpiantsehatra rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny loza. Misy ifandraisany amin’i Madaga­sikara ny firenena indianina eo amin’ny loza voajanahary satria lasibatry ny rivodoza sy tondradrano matetika ihany koa.

Nisy ny fampahafantarana momba ny fikambanana Autisme Madagascar ho an’ny mponina ao amin’ny distrikan’i Moramanga, omaly. Niaraka tamin’ny fanentanana sy fifampizarana momba ny Autisme ny fihaonana tao an-toerana. Miezaka mandrakotra tanàna maro ny fikambanana, hampahafantarana ny toe-tena autiste sy ny fandraisana an-tanana efa misy.

Nisitraka fitaovam-pitarafana avo lenta na Scanner vaovao ny hopitaly manara-penitra Antsi­ranana. Avy amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka no nahazoana izany. Tsy voatery miakatra any Antananarivo intsony ny vahoakan’Antsiranana rehefa hanao Scanner.

Partager sur: