Mahavelombolo ny mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany ao Ste Marie ny vokatra azo tamin’ity taona ity. Ankehitriny, mihoatra ny isan’ny mpizahatany tamin’ny 2019 ireo mpitsidika tonga any an-toerana.
Manomboka mahazo ny ovam-pivoarana (dynamisme) toy ny tamin’ny taona 2019 mialohan’ny krizin’ny Covid-19 ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha (Ste Marie). Manodidina ny 30 000 ny mpizahatany tonga tany an-toerana, ny taona 2019. Tafiditra ao anatin’izay ny mpizahatany avy eto Madagasikara sy avy any ivelany, araka ny fanazavan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fizahantany ao Ste Marie. “Isaky ny volana oktobra, isan-taona, tsy mihoatra ny 20 000 ny isan’ny mpizahatany mitsidika ny Nosy Boraha. Tamin’ity taona ity, efa maherin’ny 25 000 ny antontanisan’ireo voaangona”, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny fikambanana Le circuit des Forbans (LCDF), i Diana Ndalana, sady tomponandraikitra misahana ny fampiroboroboana ny “Pirate Island”, napetraka ao an-toerana, vao tsy ela izay. “Hetsika natao mba hisarihana ny mpizahatany ho tonga ao amin’ny Nosy Boraha mandavan-taona”, hoy kosa ny filohan’ny LCDF, i Totozafy Bosco.
Festival des pirates
Hotanterahina ny 27 ka hatramin’ny 29 oktobra izao ny “festival des pirates”, karakarain’ny fikambananana LCDF. Tanjona ny hisarihana mpizahatany maro avy ho tonga ao Ste Marie ankoatra ny vanim-potoana hahatongavan’ny mpizahatany, araka ny fanazavana hatrany. Hetsika hampahafantarana ireo toerana mampiavaka ny Nosy Boraha amin’ny faritra hafa eto Madagasikara ity “festival des pirates” ity. Hisy ny fampisehoana ataon’ireo artista malaza sy ny fanentanana maro samihafa ary lalao hahazoana loka isan-karazany mandritra ireo fotoana ireo.
Henintsoa Hani