Sarintsarina fakana an-keriny : mpanampy vavy sy lehilahy iray voasambotra

Voasambotry ny zandary ny vehivavy sy lehilahy iray, niray tsikombakomba tao Antsirabe tampon-tanàna, ny 13 oktobra teo. Nirahan’ny mpampiasa azy hanatitra entana tany Anjoma Ramar­tina io vehivavy io, ny 11 oktobra teo. Tsy niverina intsony anefa io mpiasa vavy io ary tsy tratra antso. Roa andro taorian’io, tratra antso tampoka ary nilaza fa nalain’ny mpaka an-keriny any amin’ny toerana tsy fantatra io mpanampy io. Nitaky handefasana vola 2 tapitrisa Ar izy omena ireo telo lahy mihazona azy. Nametraka fitoriana anefa ny mpampiasa ka nikaroka io vehivavy io. Tratra tao Morafe­no ity farany sy ny lehilahy iray niray tsikombakomba taminy. Tsy mbola nisy ny fanomezana vola satria haingana ny fa­hatongavan’ny zandary taori­an’ny vela-pandrika rehetra. Fantatra nandritra ny famotorana azy fa efa fanaony ny manao asa ratsy toy izao. Miray tsikombakomba amin’ity lehilahy ity hatrany izy, araka ny fanampim-panazavana voaray. Tsy maharitra ela ami­na asa iray izy fa mifindrafindra hatrany. Lasa miova toy izao indray ny fomba fiadin’
ireo jiolahy amin’ny resaka fakana an-keriny. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy roa, aorian’ny famotoran’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: