Talen-tsekoly novonoina : notsatotsatohana antsy tamin’ny lohany

Efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona manamorona  ny lalam-pirenena fahefatra ny “proviseur” an’ny lisea iray anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny zoma 13 oktobra teo.

Nahitana tsatok’antsy ma­romaro ny vatany. Tsindron’antsy miisa enina sy daroka tamin’ny loha no namonoan’ny olon-tsy fantatra ny “proviseur”  iray tao Ankarefo, fokontany Ambohi­miadana, kaominina Ampano­tokana, distrika  Ambohidratri­mo, ny faran’ny herinandro teo. Nahita olona nitsirara teo amin’ny sisin-dalana, 10 m miala ny lalam-pirenena faha-4 ireo olon-tsotra nandalo. Vatan-dehilahy efa mitsirara sady mihosin-dra io hitan’izy ireo io ka niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany ireto farany noho ny trangan-javatra hafahafa. Nidina ifotony nanamarina ny tena zava-nisy ny teo anivon’ny zandarimaria sy ny solotenan’ny mpi­tsabo ao amin’ny CSBII Ampa­­notokana. Tonga ihany koa ny fianakavian’ilay namoy ny ainy. “Efa novonoina teo amin’ny 12 ora mialoha izao nahitana ny vatana mangatsiaka izao io lehilahy io” , hoy ny mpitsabo. Novelesina tamin’ny zavatra koa ny lohan’io lehilahy io.

Taratasin’asa…
Lasan’ny olon-dratsy izay nahavanona io vono olona io ny kitapo teny amin’io tomponandraikitra voalohan’ny lisea io, araka ny nambaran’ny havana akaiky azy. Nisy ny ta­ratasin’asa, niampy ny karapanondrom-pirenena an’io maty io izany. Mbola teny aminy kosa ny findainy ary ta­vela teny amin’ny dimy metatra miala amin’ny vatana mangatsiakany ny ilan-kirarony. Nandray an-tanana ny fanadihadiana avy hatrany ny zandarimaria. Efa natolotra ny fianakaviany taorian’ny fizahana azy ilay maty.

Tsiferana R.

Partager sur: