Mampiranty any Grenoble i TangalaMamy. “Nourrir demain” ny lohahevitry ny saripika hataon’ity mpaka sary matihanina ity, ao amin’ny oniversiten’i Grenoble, manomboka anio. Saripika maneho ny fambolena, ny sakafo sy ny olombelona ireo nosafidian’i Tangala Mamy haranty, hatramin’ny 20 oktobra ho avy izao.
Ho avy any Antsiranana ny Logos Hope. Ilay sambo lehibe izay natao ho famakiam-boky mitety vazantany. Ny 27 oktobra hatramin’ny 12 desambra izao no hihantsona ao amin’ny seranantsambon’ Antsiranana ny sambo. Boky maherin’ny 5 000 isa, manodidina ny lohahevitra maro no ao anatin’ny Logos Hope. Azo jifaina sy vakina eo an-toerana ireo boky, ho an’izay liana, manomboka ny talata hatramin’ny sabotsy.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny IKM Antsahavola, ny seho ara-javakanto nampitondraina ny lohateny hoe “Eo imolotrao”. Ny boky “Eo imolotrao” no nentina an-tsehatra nandritra izany fampisehoana izany. Tao anatin’izany ihany koa no nampahafantarana ny momba ity boky ity.
“Trait d’union”. Malagasy mpahay kanto miisa 6 no mampiranty ny haikantony eny amin’ny Louvre Antaninarenina, amin’izao fotoana izao. Ny 31 oktobra 2023 vao hifarana izany. Ny fifandraisana eo amin’ny kolontsaina sy ny firenena iray no tena asongadina ao anatin’ireo mpahay kanto ao anatin’izao fampirantiana izao.