TSELATRA

Lasan’ny jiolahy mpangalatra voamaso indray ny mason’ny vehivavy roa tany amin’ny kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny sabotsy maraina teo. Namoy ny ainy ny vehivavy iray noho ny ratra mafy nahazo azy. Ny iray kosa mbola manaraka fitsaboana. Fantatra fa mirongatra izaitsizy ny halatra voamaso amin’iny distrika iny.

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava ao Toamasina, ny lehilahy iray mpisoloky. Milaza ho tompon’andraikitra amina fikarakarana sakafo izy ka afaka mampiditra olona hampisakafo ireo mpiasa maro amina orinasa iray ao an-toerana. Nolazainy fa mitady olona 300 izy ireo ka 3 hetsy Ar isam-bolana ny karaman’ny iray. Maro ireo resy lahatra ka nampandoaviny 60 000Ar isan’olona.

Voatery niafara tamin’ny fisarahana mihitsy ny an’ireto mpivady nifamaly noho ny fanohanana kandidà teny Anosibe Mandragobato. Samy manana ny olona tohanany izy mivady ka teo no tsy nampifanaraka ny resaka. Iharan’ny herisetra nataom-badiny ilay renim-pianakaviana satria tsy mitovy firehana amin-drangahy. Niezaka nandamina ihany ny olona teo an-tanàna saingy tsy nilamina intsony.

Naratra mafy ny mpitondra moto iray nanao akanjo fotsy nodarohan’ireo andian’olona nanao akanjo volomboasary teny Anosy, ny sabotsy teo. Nilaza anefa ilay mpitondra moto fa hoe hamonjy mariazy ka noheverin’ireo nidaroka fa hoe naman’ireo avy amin’ny vondron’ny kandidà 11. Voatery nentina hopitaly mihitsy ity raim-pianakaviana ity. Avotra soa aman-tsara ihany anefa izy.

Partager sur: