Kilalaom-bazaha

Hatraiza marina ny fahaleovantenan’i Madagasikara? Hatraiza ny tanjaky Ramalagasy hanohitra ny fidiran’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena amin’ity raharaha politika anatin’ny firenena ity? Rehefa tsy nahomby tamin’ny andiany voalohany, nivadika ho ny FFKM, izao manao rodobe indray izy mianakavy amin’ny fanambarana. Milaza izy ireo fa tokony hirosoana ny fifampiresahana ka ny vahiny no ho mpitarika ny dinika. Asa, hanao ahoana indray izany?
Ny fanomanana fifidianana sy ny fampielezan-kevitra etsy andaniny efa mandeha. Mizotra araka ny tetiandrony ny kandidà avy amin’ny fitondrana. Ity farany izay mitady ny hirika mba hanohizana ny asa efa natomboka. Mandeha ny fitetezam-paritra. Mitohy ny ketrika samihafa na politika na serasera. Manamafy rahateo ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo sy ny Andrim­panjakana mijoro fa manaja ny Lalàmpanorenana. Amin’ny maso tsy miangatra, tsy misy velively ny fandikan-dalàna.
Ankilany, efa iaraha-mahalala ny fihetsiky ny mpifanandrina, izay manao angaredona. Maneho firaisan-kina mba tsy hahatanteraka ny fifidiana aloha, raha tsy manova rafitra. Mitohy ny fidinanana an-dalambe. Ny indrokely anefa, manahirana ny fanajan’izy ireo ny teny nomena. Olona nanaiky handrotsaka ny taratasy ho fidina saingy tsy manaiky hiroso amin’ny latsabato. Efa mazava, misy ny miketrika Tetezamita mba ho lohany sy ho mpiara-mitantana.
Raha atao indray mijery, toa misy ny fanambakana faobe ilay vahoaka malagasy ataon’ny politisianina sasany. Lalaovina amin’izay mahametimety azy ny valalabemandry, tsy mety tonga saina. Mafana fo amin’ny hetsika samihafa, saingy tsy misy tanjona mazava afa-tsy ny fiarahana mirona amin’ny mpitarika izay mikendry toerana sy fahefana, tsy misy miresaka sosialim-bahoaka. Sanatria, kilalaon’ny vazaha fotsiny !
r.r

Partager sur: