Navidiky ny lakana nentiny ka niara-namoy ny ainy ny roa lahy naka vilona tao Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny sabotsy 14 oktobra lasa teo. Nanao ny asa fanaony toy ny mahazatra ireo roa lahy. Naka vilona izy ireo ka natao tao anaty gony izany. Niakatra teo ambony lakana nitondra ireo sakafom-biby ireo, araka izany izy roa lahy mianaka. Nivadika tampoka anefa ny lakana tamin’io tolakandro io. Sarona niaraka tamin’ny vilona tao anaty rano ireo olona roa ireo. Ankizilahy 14 taona ny iray ary 24 taona kosa ilay lehilahy nivoy ny lakana. Zanaky ny anabavin’io lehilahy 24 taona io ihany ity niara-namoy ny ainy taminy ity. Nifamonjen’ny manodidina izy roa lahy ireo saingy tsy tana ny ainy. Maty tsy tra-drano avokoa ireto farany. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’izy roa lahy.
Tsiferana R.