Nankalazaina omaly, tao Antsirabe, ny Andro maneran-tany ho an’ny sakafo. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny “Aina ny rano, mamelona ny rano”. Tsy afa-misaraka amin’ny olombelona sy ny famokarana ary ny sakafo ny rano. Singa fototry ny fahavelomana izy ka tsy maintsy mifampiankina amin’ireo rehetra ireo. Fantatra fa ny 3% amin’ny rano eto ambonin’ny planeta ihany no azontsika sotroina sy ampiasaina. Mampiasa ny 72% an’io rano 3% io ny tantsaha mpamboly. Kitro ifaharan’ny fahavelomantsika sy ny famokarana ny rano, noho izy manome aina ka tokony ho kajiana. Tafiditra ho anisan’ny ady amin’ny fahantrana eto Madagasikara ny fahazoana rano sy ny sakafo ara-pahasalamana ary ny fambolena. Singa fototry ny famokarana sy ny fampiroboroboana izy. Mifanindry an-dalana amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tantsaha, isaky ny 15 oktobra ihany koa ny hetsika. Marika izany fa manana anjara asa lehibe eo amin’ny rafitra ara-tsakafo ny vehivavy.
Fototra
Mandray anjara ho an’ny fanovana sy ny fandrosoana ny tsirairay mba ho fitaratra amin’ny fampaharetana sy fampitoviana eo amin’ny fitantanana ny rano sy ny sakafo. Manan-danja ho an’i Madagasikara sy ho an’izao tontolo izao ny hetsika natao omaly, nanasongadinana fa mifampiankina amin’ny famokarana ny rano. Ankehitriny, tandindonin-doza ny rano, noho ny fitomboan’ny mponina sy ny fanatontoloana ary ny fiovan’ny toetr’andro.
Henintsoa H.