Fantsona iray ahafahana mitondra fanabeazana sy fanentanana ary fampahatongavan-tsaina ny haikanto. Izany indrindra no nanosika ity mpahay kanto ity hanao izao fampirantiana izao, ho fanandratana ny kolontsaina sy ny maha izy ny Malagasy.
Ho tanterahina eny amin’ ny Musée de la Photographie Anjohy, ny 21 oktobra 2023 hatramin’ny 31 desambra 2023, ny fampirantiana «La Voix, le Loin», tontosain-dRaharimanana Jean Luc. Haikanto maro loko sy miavaka ary samy manana ny maha izy azy no ho hita eny an-toerana, mandritra ireo andro ireo. Mpahay kanto mahafehy haikanto maro Raharimanana Jean Luc, ary samy hasehony anatin’ity fampirantiana ity avokoa ireo sanganasa voafehiny ireo. Mampiavaka azy ity ny fisian’ny fanentanana sy ny fampahatongavan-tsaina ny Malagasy, manoloana ny zava-misy, indrindra ny eo anivon’ny tontolo iainana.
Feon’ny razana, ny fanahy
Tonga eto Madagasikara ny fampirantiana “La Voix, le Loin” an-dRaharimanana Jean Luc. Raha tsiahivina, firenena maro no efa nandalovan’ity hetsika ity nialoha izao nahatongavany eto an-toerana izao. Mampiavaka ny «La Voix, le Loin» ny fahasamihafan’ny zavatra aranty, isaky ny toerana hanaovana izany. Araka ny nambaran-dRaharimanana Jean Luc, feon’ny razana, ny fanahy sy ireo tontolo hafa no tiany hambara amin’ny ranty «La Voix, le Loin», ka izany no mahatonga ny fahasamihafan’ny haikanto haranty isaky ny toerana. Raha ho an’ny eto Madagasikara. Sary hosodoko 13, Aloalo 3 ary takela-tsoratra 3 no ho hita mandritra izany. Haikanto maneho ny maha izy sy ny fiainan’ny Malagasy ireo nosafidina ireo. Natao izany mba hampahafantarana ny maha isika antsika Malagasy. Eo ihany koa ny mba hanentanana sy hampahatongavana saina ny Malagasy manoloana ny zava-misy. “Mampahafantatra ny lasa, maneho ny ankehitriny ary mampibanjina ny ho avy ny fampirantiana”, hoy Raharimanana Jean Luc, mpahay kanto marolafy.
Lin