Omaly maraina, taitra avokoa ireo mpanaraka ny pejin-dRaboussa. “Hikôzy aho satria tsy moana. Manome fotoana anareo aho rahariva amin’ny 3 ora sy sasany eto amin’ny pejin’ny Raboussa Tarika. Aleo mba hiteny koa aho”, hoy izy sady toa nisefosefo sy aviavy raha ny fahitan’ny rehetra azy…
Liana be, samy naminavina sy namakafaka izay horesahin-dRaboussa tokoa ny rehetra. Nitodika tany amin’ity mpanakanto anisan’ny kalaza amin’ny rap gasy ity ny mason’ny Malagasy manerana an’izao tontolo izao. “Hikôzy amin’izay io hoe hanaraka antsika koa”. “Hitsangana hiaro ny mpanakanto namany izay enjehin’ny olona amin’ny asany izy izao”, “Io ve tsy nirahina hiaro ny sezan’izy ireo indray?”, sns. Santionany fotsiny amin’ny fanehoan-kevitra nihodina tao anatin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ireo.
Tonga ny tamin’ny 3 ora sy sasany; niteny tokoa Raboussa. “Ity ilay hafatra. Natao anaty hira satria ny tena artista”, hoy izy. “Izany dia tsy hay?” ny lohatenin’ilay hira vaovao be, izay efa mahalaza zavatra maro sahady. Vita rakikira izany, satria mifameno amin’ny hafatra tian-kampitaina ny tononkira sy ny sary mandravaka azy.
“Matanja-tsaina fa tsy misy mitsoaka, tonga dia hihinana fa tsy hiandry laoka, izay rehetra hataonao, ataovy milay. Izany dia tsy hay?”, hoy ny fiverenan’ny hira, izay mora raisina imolotra ary vetivety tokoa. Misy pi-maso nataon-dRaboussa ho an’ireo mpiara-monina aminy eny amin’iny faritra Anosibe, Anosizato, Mahamasina, sy ny faritra iva rehetra iny, izay nanaovany rahateo ny rakitsary.
Nanintona ny maso tamin’ny faramparany, lehilahy roa miara-dalana, manao “t-shirt” Rajoelina sy Ravalomanana… “Izany dia tsy hay?”
Zo ny Aina