Nankalazain’ny Orinasa malagasy fitahirizam-bola iombonana sy findramam-bola, ny 14 oktobra teo, teny amin’ny kianja Coliseum Antsonjombe, ny Andro maneran-tany ho an’ny tahiry. Lohahevitra noraisina « Ny tahiry no antoky ny hoavy », « Ny tahiry tsara tantana, hoavy milamina ». Natao nandritra ity fotoana teny Antsonjombe ity koa ny fisarihana ny lalao “Maxitombola”, nokarakarain’ny orinasa mpikirakira vola SMMEC. Afaka nandray anjara ireo manana tahiry. Miisa 6 000 ny mpandray anjara novinavinaina, nefa tafakatra avo roa heny, 12 000, izany. Maro ny loka nozaraina. Tanjona nikarakarana azy ity ny hampirisika ny mpanjifa hanao tahiry.
Efa 23 taona niseharana tamin’ny lafiny tahiry sy ny fanabeazana ara-bola ny SMMEC. Hita any amin’ny faritra 14, ahitana masoivoho 137. Ahitana ny sokajin-taona rehetra ny mpikambana, manomboka ny zaza vao teraka hatramin’ny efa misotro ronono.
Misy karazany maro ny tahiry, toy ny ho an’ny ankizy sy ny tanora, ny ho an’ny tetikasa. Eo koa ny Tsinjo fahanterana, ka ankoatra ny zanabola 7% dia mahazo fiahiana ara-pahasalamana 60% ny mpikambana ao aminy.
Njaka A.