Nankelezina ny fanabeazana !

Taona 1960, nampidirina tao anatin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ny ankamaroan’ny firenena voazanaka. Amin’ny ankapobeny, ny mpanjanaka ihany no tao ambadik’ireo mpitondra napetrany. Nanao randra-mitarika an-taona maro ity vanim-potoana ity, satria, hain’ny mpanjanaka ny tsiambaratelon’ilay firenena zanahiny. Fantany tsara fa firenena manan-karem-be ka tsy tokony havotsotra. Firenena manana mpitondra adalam-bola ka mora lalaovina…Nampidiriny kizo ny tontolon’ny fanabeazana teto Madagasikara.
Nomena vahana ny fanakelezana. Saika nahitana io « tetika » io avokoa ny sehatra rehetra misy eto amin’ity Nosy ity. Mihakely ny harena, satria, ritin’ny mpanjanaka sy ireo zaza navelany. Mihabado hatrany ny Malagasy, satria, nankelezina ny fahalalana nomena azy. Tsy afa-mandinika lalina intsony, satria, mihakely ireo fahafahana rehetra hoenti-manatanteraka izany. « Ny sarintanin’i Madagasikara hita ao anatin’ny sarintanin’izao tontolo izao, aza, nanjary nihakely », hoy ny mpahay momba ny jeografia.
Raha fandrosoana no katsahina, raha mbola tsy omena ny fanabeazana sahaza azy ny Malagasy, sarotra ny ahita izany. Ny olona (na vahoaka, na mponina…) niharan’ny « fanakelezana », tsy maintsy mahantra, bado, tsy mahatsiaro ho voambaka, tia kely, manao ambin-javatra ny hoavin’ny taranany, sns.
… Tsy afa-bela amin’ny fanarenana ny lesoka rehefa mety ho mpanabe (ray aman-dreny, raiamandreny, mpampianatra, mpitantana isan-tsehatra…). Mitaky rafitra mazava sy marim-pototra anefa ny fanatanterahana izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: