Lehilahy iray mipetra-drery hita faty tao an-tranony tao Besakoa, Toliara, omaly maraina. Novonoin’ny olon-tsy fantatra tamin’ny zava-maranitra izy.
Namoy ny ainy tao an-trano fonenany ny lehilahy iray misehatra
amin’ny orinasa mpampita entana iray na “transitaire”, tao amin’ny fokotany Besakoa, Toliara, omaly maraina. Naharay fampahafantarana ny zandarimaria avy eo anivon’ny sampana misahana ny heloka bevava ao an-toerana. Nidina ifotony izy ireo ka lehilahy iray mipetra-drery no hita nitsirara tao an-trano. “Niezaka niaro-tena tanteraka izy raha ny fanadihadiana nataonay”, hoy ny fanazavana an-telefaonina avy amin’ny tomponandraikitry ny zandary misahana ny famotorana eo anivon’ny sampana heloka bevava ao Toliara. Nampiasa zava-maranitra ireo olon-dratsy. Voadidy ny tanana sy ny faritra maro tamin’ny vatan’io lehilahy maty io. “Voa mafy tao amin’ny faritry ny lohany izy ka nitarika ny fahafatesany”, araka ny fanamafisan’ny zandarimaria. Nikorontana tanteraka, araka izany, ny trano noho io lehilahy io niezaka niaro-tena nanoloana ireo namono azy.
Fanadihadiana lalina
Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary misahana ny heloka bevava tao amin’ny trano nitrangan’ny loza, tsy nisy nipika ny zava-tsarobidy tao an-tranon’io lehilahy io. “Ny findainy no nalain’ireo nahavanon-doza”, hoy ny kolonely lehiben’io sampana io. Tsy fantatra mazava ny andro namonoan’ireo olon-dratsy io lehilahy io, raha toa ka ny sabotsy alina na ny alahady 15 oktobra teo. “Miankina amin’ny valintenin’ny mpitsabo nanao ny fitiliana ny razana no hamantarana izany”, raha ny nambaran’ ny tomponandraikitra misahana ny famotorana hatrany. Manatontosa ny fanadihadiana lalina momba ity vono olona mampiahiahy ity ireto farany amin’izao fotoana. Marihina fa lehilahy, Malagasy, iray hafa koa maty nisy namono tany Lyon-Frantsa, afakomaly.
Tsiferana R.