Dama sy Erick Manana, any La Réunion. Taorian’ny seho roa ho fiverenana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, fantatra fa hanomboka ny fitetezam-pirenena indray i Dama sy Erick Manana. Atsy amin’ny Nosy La Réunion izy mirahalahy ny sabotsy 21 oktobra izao, hitondra indray ny “Feo roa, gitara roa”. Tetikasa efa an-taonany maro izy ity, izay kasain’ ireto mpanakanto ireto ho tohizana hatrany.
Nodimandry Rahagalahy Andriamiadanarivo, mpitandrina. Ankoatra ny maha pasitera azy, mpanakanto izy. Mpamoron-kira sady mpihira. Nanangana ny tarika Ny Mpitory, tany amin’ny taona 1984. Angady nananana ireo hira fanampiny ao anatin’ny FFPM. Anisan’ny tantaram-piainana nahafantarana azy ny nanoratany hira sy ny nanomezany feony izany tao anatin’ny 7 minitra monja. Efa hatrany amin’ny fahazazany no nananany fikasana sy nitozoany tamin’ny kanto nataony.
«Caravane du livre de l’Océan Indien». Mandray anjara amin’ity hetsika ity ny eny anivon’ny Tranomboky monisipaly Analakely. Misy ihany koa ny hetsika ara-javakanto sy vaky boky, mitety ireo boriborintany enina eto Antananarivo, manomboka anio, ho fahafaham-pon’ny mpankafy boky sy ho fampiroboroboana ny vaky boky.
«Mozika Mampilay». Hanakoako eny amin’ny CFM Anosy, ny gadona Roots, Rap, Reggea, ny sabotsy 21 oktobra 2023, ao anatin’ilay fampisehoana “Mozika Mampilay”. Hifampizara sehatra amin’izany i Rootsikalo, Big Jim Da, Steve Madagascariensis ary Psykopasy. Hampifaly sy hampiray ny mpankafy karazana mozika maro, araka izany, ity fampisehoana ity.