Tsipy kanetibe : lasan-dry Nanou ny 1500000 Ar

Notanterahina teny Ivato ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Tsipy kanetibe. Norombahan-dry Nanou sy Luc ary Solohery ny amboaran’ny “senior Homme” sy ny lelavola 1500000 Ar. Resin’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 9 ry Kelly, Bondy, Tsialonina, nandritra ny famaranana.
Azon-dry Tahiry sy Natha ary Matata ny amboarabe ho an’ny sokajy vehivavy. No­mon­tsanin’izy ireo tamin’ny isa, 13 no ho 2 ry Tita sy Vola ary Nadi. Teo amin’ny sokajy zandriny “Juniors”, nanjakan-dry Miavosoa sy Tiana ary Ntsoa ny fifaninanana. Isa tery, 13 no ho 12 no nandavon’ izy ireo ny ekipan-dry Andry, Kevin, Fano. Marihina fa ireto zandrikely tompondaka ireto, mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy.
Ankoatra izay, nalain-dry Danz sy Hery ary Cesar ny lokan’ny sokajy zokiny “Vétérans”.
Marihina fa nahatratra 115 ny mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Miisa 58 ny “Séniors” lahy raha toa ka 17 ny vavy. Nahatratra 20 ny zandriny “juniors”, 20 ihany koa ny zokiny “vétérans”.

Fitia Randria

Partager sur: