Mitondra avo ny lazan’ny rugby malagasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Rasoampamonjy Donatienne (Dô). Lasa «commissaire au match international» ny tenany. Nanome ny taratasy fanamarinana iraisam-pirenena ho azy ny World rugby.
Mitombo isa hatrany ireo Malagasy teknisianina eo anivon’ny World Rugby. Anisan’ireo manatevin-daharana, Rasoampamonjy Donatienne (Dô), lasa “commissaire au match international”. Niofana sy nianatra tamin’ny “trainer”-n’ny World rugby izy nanomboka ny volana avrily lasa teo, ka nahazo ny taratasy fanamarinana iraisam-pirenena manendry azy ho amin’izany andraikitra izany. Nizara roa ny fiofanana, teo ny fampiarana, tamin’ireo fifaninanam-pirenena lahy sy vavy. Narahin’ireo mpampiofana tamin’ny alalan’ny fampiainana mivantana, ny asany tamin’izany. Taorian’izay, nanaovana ny tomban’ezaka ny CAN, vehivavy, natao teto Madagasikara, ny volana jona lasa teo. Nitsara azy tamin’izany, i Edwige, “commissaire au match” iraisam-pirenena.
Tsy mora, hoy i Dô, ny fianarana norantovina sy ny asan’ny “commissaire au match” fa iankinan’ny fampandehanana ny lalao. Ny fikarakarana ny hetsika, ny serasera, ny fitantanana, ny fandraisana fanapahan-kevitra, ny fivoriana teknika, hatrany amin’ny fampiresahana ny kapitenin’ny ekipa sy ny fandraiketana an-tsoratra ny lalao. Tsiahivina fa olona niaina tao anatin’ny tontolon’ ny rugby i Dô. Niainga tamin’ ny mpilalao avy eo mpanazatra ka manana ny mari-pahaizana “niveau 2”. Efa talen’ny fifaninanana tamin’ny ” Top 8 ” vehivavy ny 2022. Efa voatendry ho masoivohon’ny Rugby, vehivavy, aty Afrika rugby. Nampianatra ny “arbitrage éducatif” ihany koa izy. “Niainako ny mahafinaritra sy ny mafy ny rugby. Namolavola ahy tamin’ny fiainana ka ilaina fikirizana sy fitiavana vao tonga amin’ny tanjona tratrarina”, hoy i Dô.
Torcelin