Atletisma : hahemotra ny fivoriamben’ny Federasiona

Noho ny zava-misy eto an-drenivohitra, nanapa-kevitra ny mpitantana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), fa hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voatondro ny fivoriambe ara-potoana (AGO). Raha ny voatondro mantsy, ny sabotsy ho avy izao, no hanatontosana izany eto Antananarivo saingy izao, nofoanana izao.
Tsiahivina fa io no hanaovan’ny federasiona ny tatitra teknika sy ara-bola amin’ireo ligim-paritra ny taom-pilalaovana 2023 ka hiandrasana ny fankatoavana na ny «quitus». Fotoana ihany koa hamaritana ny fandaharam-potoana vaovao. Marihina fa tontosa avokoa ireo fifaninanam-pirenena rehetra.
Raha ny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «cross country», natao tany Australie sy ny lalaon’ny vaomieran’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI) ihany, no tsy natrehin’ny federasiona. Ny tsy fahazoana «visa» ho an’i Clement sy i Nathalie, ny tsy nahafahana nandeha nankany Australie, raha resaka teo amin’ny fanjakana kosa ny olana ho an’ireo ankizy.
Ankoatra izay, efa manao fangatahana any amin’ny federasiona iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao, ny filohan’ny FMA, mba hahazoan’i Madagasikara mampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy tanora.

Tompondaka

Partager sur: