Centre d’enfant Mandrosoa : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex

Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny foibe fanohanana an-tsekoly Mandrosoa na Centre d’enfant Mandrosoa eny Vontovorona, omaly. Na­notrona izany ireo olona maro efa nahazo tombontsoa, ny avy amin’ny ONG Yamuna ary ny kaosilin’i Espagne, Has­naine Yavarhoussen. Nahazo mari-pankasitrahana amin’ny maha ray mpiahy ny ONG azy ny kaosilin’i Espagne. Noto­lorana ireo sanganasa novokarin’ireo ankizy ihany koa izy ho fankasitrahana ny fanohanana ny ivontoerana. Teo koa ireo hetsika ara-pahasalamana maro efa tontosa entina nanampiana ireo olona raisin’ ity ONG ity an-tanana. Ankizy 200 mahery avy amin’ny fianakaviana sahirana no mahazo tohana avy amin’ny ONG Yamuna, amin’ny alalan’ny foibe Mandrosoa izay manolotra fanamafisana ara-pianarana, sakafo, toerana fitaizana zaza ho an’ireo reny tokan-tena mbola tanora ary mampiantrano ireo vehivavy ma­nan-janaka. Mampiroborobo ny fahaleovantena ara-toekaren’ny vehivavy koa ity ivontoerana ity amin’ny alalan’ny tetikasa «Vehivavy Mihavo­tra». Manome vahana ny famerenana azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa ary manatsara ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fambolena legioma. Tafi­ditra ao anatin’izany rahateo ny fanajana ny tontolo iainana. Manamarika ny fahombiazan’ireo hetsika natao ho an’ny ankizy sy ho an’ny mponina rehetra eny Vontovorona ity fankalazana ity.

Jean Claude

Partager sur: