CT Motors : mitsinjara ny vokatra “Hero”

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny vondrona CT Motors fa mitsinjara ny marika Indiana fanta-daza “Hero” eto Madagasikara izy ireo, tetsy Andraharo, ny zoma 13 oktobra teo. Anisan’ny sangany eo amin’ny sehatra maneran-tany amin’ny famokarana kodiarandroa io marika io. Mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa eto an-toerana tanteraka ny moto vokarin’io orinasa io. Ohatra amin’izany ny Hero 125 cc. Mitsitsy tanteraka io moto io noho izy 1,8L/100km. Mahazaka hatramin’ny 12,5 litatra koa ny tranon-dasantsy eo aminy. Ahitana ny moto Hero 150 cc koa eo anivon’ny CT Motors. Mampiavaka azy ny tanjany. Natao hampiasana kokoa eto an-drenivohitra io karazana iray io. Tsiahivina, nanamora ny fanjifan’ny mpanjifa ny vokatra ny eo aminy ny orinasa CT Motors. Afaka manjifa ny vokatra ireo maniry hanana kodiarandroa hataramin’ny fiara ka manonitra ny vola tsikelikely mandritra ny fotoana voafetra.

Tsiferana R.

Partager sur: