Distrikan’i Besalampy : dahalo efa-dahy maty voatifitra

Dahalo efa-dahy maty voa­­tifitry ny zandary tao amin’ ny fokontany Bekoky, kaominina Bekodoka, distrikan’i Be­salampy, afakomaly. Nifa­nena tamin’ny dahalo efatra mirahalahy nitondra omby ha­latra ny zandary roa lahy, ta­min’ny 4 ora maraina. Nofo­tompotorina ireto olon-dratsy ka niaiky fa omby halatra ireto tratra teny aminy ireto. Nenti­na hihazo ny biraon’ny zandary, araka izany, izy efa-dahy. Nangata­ka hivalan-drano ny telo lahy ary nilaza ho narary kibo ny iray. Nikasa handositra ta­min’ io fotoana io izy efatra. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny mpitandro filaminana. Nikiry nanao tongotra an-katoka ireo dahalo. Nampi­tan­drina tamin’ny alalan’ny tifi-da­nitra ny zandary saingy nanda hatramin’ny farany ireo dahalo. Vokany, maty voati­fitra avokoa izy efa-dahy. Naidi­tra am-balam-pamonjana kosa ireo omby telo sarona teny amin’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: