Nifandatsa-dra ny samy sivily tetsy Andavamamba, omaly. Andaniny ny mpanohana ny kandidà 11, ankilany ny mpomba ny kandida n°3. Nisy ny vaky loha sy potika fananana.
Nifandona indray, ny mpanao diabe, tarihin’ny kandidà 11 sy ny mpanao fampielazan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, teny Andavamamba, omaly atoandro. Fifampihantsiana sy fifandranitana no tena nahatonga ny fifandonana. Indroa miantaona io fifandonan’ny samy sivily io. Teo amin’ny Cenam Andavamamba ny voalohany, ary teny akaikin’ny FJKM Andavamamba ny faharoa. Vokatr’izany, lehilahy iray vaky loha tratry ny fifampidarohana teo amin’ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Ankoatr’io, nisy ny fahapoteham-pitaovana toy ny fiara an’ny roa tonta. Nanoloana io fifandonana io, voatery niditra an–tsehatra nandamina ny raharaha ny polisim-pirenena. Nifampiresaka mivantana tamin’ny mpitarika io mpanao fihetsiketsehana teo an-kianja io ireto farany ary nangataka ny hilaminan’ny tsirairay. Naharitra teo amin’ny 15 minitra teo ny fifampikasihan-tanana teo amin’ireo mpomba ny 11 kandidà sy ireo mpanohana ny laharana fahatelo.
Samy nanohy ny hetsika
Nilamina ihany ny disadisa nisy teo amin’ny roa tonta taorian’ny fandaminan’ny mpitandro filaminana. Nihazo ny lalan’Ampefiloha ireo mpanao fihetsiketsehana notarihin’ireo kandidà miisa 11. Nijanona teo amin’ny faritra Andavamamba sy ny manodidina kosa ireo mpanohana ny kandidà laharana fahatelo. Ny tomponandraikitry ny roa tonta izay samy nanambara fa teo Andavamamba avokoa ny toerana voatondro niaingan’ny fihetsiketsehana. Nifarana teo Mahamasina kosa ny diaben’ireo kandidà 11.
Tsiferana R/ Lin/ Fitia