Tamin’ireo lalao roa nataon’i Madagasikara, nahazo fandresena tokana izy ireo. Lavon’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 1 i Bénin.
Nofaranan’ny Barea de Madagascar tamin’ny fandresena ny lalao fanomanana tafiditra amin’ny “Fenêtre FIFA”, izay natao tany Maroc. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 i Bénin, nandritra ny fihaonana natao omaly. Afa-bela amin’i Bénin, araka izany, ny ekipam-pirenena malagasy.
Raha hiverenana ny lalao, ny mpilalaon’i Bénin, Houtondji no nahatafiditra baolina voalohany, iray minitra nilalaovana. I Tsiry kosa no nanasahala izany, ny minitra faha-21 rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’i Safidy. Ady sahala 1 no ho 1 no nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nanova paikady ny mpanazatra Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, Malagasy teknisianina. Nasorina i Arnaud sy i Safidy, nampidirina i Jean Yves sy i Dadafara. Nanomboka nanindry ny Barea ary tsy maharaka ny tolotolotra akaiky ataon’ireo Malagasy mpilalao ny Guepard an’i Bénin. Nahatafiditra baolina i Jean Yves, minitra faha-52. Nifarana tamin’io isa 2 no ho 1 io ny lalao, nandresy ny ekipa nasionaly malagasy.
Araka izany, fahombiazana tokana sy fahalavoana iray no vokatra azon’i Madagasikara tamin’ireo lalao fanomanana roa natao. Tsiahivina fa tafiditra amin’ny filaharan’ny FIFA ireo fihaonana ireo. Ny 14 oktobra lasa teo, niondrika teo anatrehan’i Mauritanie tamin’ny isa 2 no ho 1 i Madagasikara.
Mifarana tamin’iny ihany koa ny fifanarahana tamin-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra, ny fitondrana ny Barea de Madagascar. Andrasana izay fanampahan-kevitry ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, mahakasika izany. “Tanjona ny hahatafakatra ny Barea de Madagascar, amin’ny Mondial 2026”, hoy ity filohan’ny FMF vaovao ity.
Fitia Randria