Azo atao ny mandefa vola avy any ivelany, mankaty Madagasikara. Nanomboka ny 13 oktobra teo izany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny MVola sy ny orinasa MFS Africa, anisan’ny sangany amin’ity sehatra ity aty Afrika. Afaka manatanteraka izany rahateo ny Malagasy monina sy mila ravinahitra any ivelany maneran-tany.
Tafiditra avy hatrany ao anatin’ny kaonty MVola an’ny mpanjifa aty Madagasikara ny vola alefa avy any ivelany. Tsotra ity fomba fandefasana vola ity, tsy mila manatona masoivoho intsony, ary tsy misy antontan-taratasy fenoina na soniavina. Tsy mandany fotoana, fa eo no ho eo, mivadika sandam-bola Ariary avy hatrany. Azo antoka, sady afaka mitantana ny kaontim-bolany avy hatrany ny mpanjifa. Afaka manatanteraka ny asa fihariana amin’ny lafiny fikirakirana vola.
Nilaza ny tale jeneraly (CEO) ny MVola, Louis-Olivier Favot, fa « kihon-dalana lehibe eo amin’ny MVola sy eto Madagasikara ity fiaraha-miasa amin’ny MFS Africa ity. Mangarahara nefa mora ampiharin’ny mpanjifa. Ho an’ny talen’ny MFS ho an’ny tapany atsinanana sy atsimon’i Afrika, Rtoa Rachel Balsham, « faly tokoa izahay miara-miasa amin’ny MVola, mba hanitarana ny ambaindainay aty Arika».
Njaka A.