Namono zaza 6 taona : raikely sy ny namany naiditra am-ponja

Nidoboka am-ponja ilay raikely sy ny namany iray hafa nahafaty ny zana-badiny vao 6 taona tao Faravohitra, distrikan’i Faratsiho, ny faran’ny herinandro teo. Nisaraka tamin’ny renin’ilay zaza enin-taona io lehilahy io. Tsy nahazaka izany anefa izy ka nalainy tany an-tsekoly ny zana-badiny, ny 2 oktobra lasa teo. Nentiny tany anaty ala mangina io zaza io ka novonoina tamin’ny fomba miharo habibiana. Nalevin-drangahy ilay zana-badiny taorian’izay. Tetsy ankilany, nitaky vola 10 tapitrisa Ar tany amin’ny fianakavian’ny zaza indray ilay nahavanon-doza taorian’io. Nanokatra ny fanadihadiana nanoloana ity tranga ity ny zandarimaria tao amin’ny zana-tobim-paritra Faravohitra. Voasambotry ny zandary tsy lavitra an’i Betafo ilay lehilahy nanao ny famonoana ny 3 oktobra teo. Natao famotorana izy ka lehilahy iray hafa voatondro ho niaraka taminy nanao io asa ratsy io. Niakatra fitsarana izy roa lahy ka nigadra.

Tsiferana R.

Partager sur: