« Nofy Maitso” andiany faharoa : mpahay kanto maro mandray anjara

Tontosaina mandritra ity herinandro ity, ao Toamasina renivohitra, ny fifaninana « Nofy Maitso », andiany faharoa. Hetsika ara-javakanto maro samihafa no ho hita manditra ny hetsika. Anisan’ izany ny fifaninanana “Slam Poèsie” sy ny fampisehoana ataon’ny mpahay kanto, mpihira, malaza avy amin’iny faritra iny. “Andao hiaraka hanonofy, andao hiaraka hanatanteraka”, hoy ny teny manentana ny rehetra ao anatin’ity hetsika ho an’ny tontolo iainana ity. Tanjona ny hitondra fanentanana sy fampahatongavan-tsaina ho an’ny olona rehetra manoloana ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana.
Ambohipihaonan’ny mpan­ka­fy “Slam Poèsie” indray ny any Toamasina any amin’ity he­rinandro ity. Mano­me lanja ny fifaninanana ny fandraisan’anjaran’ireo mpi­an­galy Slam avy amin’ny faritra maro. Ani­san’ny nahatonga solontena mifaninana ny avy any Antsi­ra­be, Mahajan­ga, Antananarivo ary Toama­sina mpampiantrano. Ankoatra ny fitsipiky ny “Slam Poèsie”, hitsarana ny mpifaninana ny fanehoan-keviny amin’ny lahatsorany, mahakasika ny fanentanana amin’ny fanajana sy fanavotana ny tontolo iainana.
Mitohy hatrany ny ezaky ny tomponandraikitra, indrindra taorian’ny fahombiazana tamin’ny andiany voalohan’ny fifaninana “Nofy maitso”. Ante­naina ny hiakaran’ny lentan’ny fifaninana amin’ity andiany ity.

Lin

Partager sur: