SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, hatao ny zoma 20 oktobra ho avy izao, ny manasa-dalana, Rugby Mondial 2023, any France. Ny ekipam-pirenen’i Argentine sy i Nouvelle Zélande no hifanandrina amin’izany. Ny sabotsy ho avy izao, hifampitana amin’i Angleterre i Afrika Atsimo

Efa tafita any amin’ny Euro 2024, izay hatao any France i Portugal. Lavon’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0 i Bosnie Herzegovine, ny alatsinainy lasa teo. Nahatafiditra baolina roa ho an’i Portu­gal, ilay mpanjakan’ny baolina kitra Portiogey, Cristiano Ronaldo. Marihina fa efa 38 taona ity lehilahy ity.

Victor Oshimen, Nizerianina mpilalao baolina kitra, tsy afaka hilalao mandritra ny 1 volana mahery. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tserasera omaly, misy ratra eo amin’ny faritry ny tongony. Mari­hina fa lohalaharana anisany kinga amin’ny famonoana baolina i Oshimen ary milalao ao amin’ny Naples Italie.

Ny alahady lasa teo, niondrika teo anatrehan’i Afrika Atsimo i France. Anisan’ireo mpilalao tena na­hazo doka sy fankaherezana avy amin’ny rehetra
i Antoine Dupont, Frantsay mpilalao Rugby. Nilaza
i Thier­ry Henry, Frantsay mpanazatra ny ekipam-pirenena Frantsay zandriny fa tsara alaina tahaka ny zava-bitan’i Antoine Dupont.

Partager sur: