Taekwondo WT : tsy misy daty mazava ny fifidianana

Nandefa taratasy ho an’ireo seksiona sy ligim-paritra re­hetra, ny 2 oktobra lasa teo, ny filohan’ny federasiona ma­lagasin’ny taekwondo WT. Fampahafantarana ny fotoana ha­natontosana ny fifidianana amin’ireo rafitra isan-tokony amin’ ny fitantanana ity haiady ity no votoatin’izany. Mame­traka fa­nontaniana sy fisalasalana ho an’ireo voakasika izany satria tsy misy daty mazava mamaritra ny hanatontosana azy fa volana fotsiny.
Raha ny voalaza ao anatin’ilay filazana, vitaina eo anelanelan’ity volana oktobra sy novambra 2023 ity ny an’ny seksiona. Tsy maintsy hatrehin’ny solontenan’ny minisitera sy ny ligy izany. Ny volana novambra ka hatramin’ny desambra ho avy izao, ny an’ny ligy ka mila ny fanatrehan’ny minisitera sy ny federasiona. Tsy maintsy mahafeno ireo fepetra voafaritra ao anatin’ny sata sy ny fitsipika anatin’ny federasiona malagasy, ireo rehetra kandidà hifaninana. Hamarana ny fifidianana, ny an’ny filohan’ny federasiona, hatao ny volana janoary 2024.

Tompondaka

Partager sur: