TARATRY ny KANTO

« Ohabolana, kolo saina ho an’ny ankizy ». Tontosa omaly ny atrikasa vaky boky notontosain’ny mpa­noratra Andrianimerina Hobiana. Nandritra izany ihany koa no nampahafantarany ny boky “Ohabolana, kolo saina ho an’ny ankizy”. Hitohy anio, eny amin’ny trano famakiam-bokin’ny boriborintany faharoa, eny Mo­rarano, ity atrikasa ity.
“Hay”. Anjaran’ny ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Isotry indray no nianoka ny fampirantiana ao amin’ny Fondation H Ambatomena, omaly, tao anatin’ny fandaharanasa “Hay”. Sekolim-panjakana enina no hisitraka izany. Atrikasa momba ny fanenomana, fitsidihana ny fampirantiana, ary fampiharana no hita ao anatin’izany.
Lasa any Frantsa ny tarika Poopy. Seho maromaro no kasain’i Poopy sy ny tariny hotontosaina ho an’ireo Malagasy mpankafy azy ao Frantsa. Hanomboka izany ny ao amin’ny Lune d’or Paris, ny sabotsy 22 oktobra izao. Hitohy any Angers izany ny 28 oktobra ary any Lyon, ny 31 oktobra. Mety mbola hisy ny seho manokana ankoatra ireo.
Hotanterahina ny 24 oktobra ka hatramin’ny 28 oktobra izao ny hetsika «Herinandron’ny Havatsa-Upem » 2023. Hisy ny fiantsana tononkalo sy velakevitra miaraka amin’ireo poeta sy mpanoratra ao anatin’ity fi­kam­banana ity ka namoaka boky (taona 2023). Ankoatra io, hanatanteraka tafa miaraka amin’ny mpanonta boky izy ireo. Ho hita ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ihany koa ny ranty momba ny mpanoratra.

Partager sur: