Manana ny lanjany eo amin’ny lafiny fitsinjarana ny tranombarotra lehibe Super U. Ahitana ny vokatra eto an-toerana sy avy any ivelany, manana ny kalitao tsara amin’ny vidiny mora.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly 18 oktobra, ny tranombarotra lehibe Super U eny Ivandry. An’ny Vondrona orinasa Habibo ity tranombarotra ity, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa iraisam-pirenena Ulys. Maherin’ny 36 000 ny karazan’entana ao amin’
ny Super U, ahitana vokatra eto an-toerana sy avy any ivelany. Manana ny kalitao tsara sady manaraka ny fenitra iraisam- pirenena. Anisan’izany ny sakafo, ny ranomanitra, ny divay malagasy, frantsay, afrikanina tatsimo sy ny hafa. Omena toerana manokana koa ny vokatra vita malagasy, hanomezan-danja ny mpamokatra eto an-toerana.
Tsiahivina fa efa notokanana ny 22 novambra teo ny Super U Analakely. Miisa fito ny isany manerana ny Nosy, ary ho tokanana tsy ho ela ny any Toamasina.
Fampandrosoana ny toekarena
Nanatrika ity fitokanana ity ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriatsitohaina Naina, nanamarihany fa manan-danja tokoa ny fisian’ity tranombarotra ity eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny toekarena eto an-toerana.
Nasongadin’ny filohan’ny Vondrona Système U (manana ny mari-pamantarana Hyper U, ny Super U ary ny U Express), Dominique Schelcher, fa isan’ny tranombarotra mpaninjara lehibe any Frantsa ity orinasa ity. Misy azy koa aty amin’ny ranomasimbe Indiana (La Réunion, Maorisy ary Madagasikara). Maherin’ ny 1700 ny tranombarotra sy magazay maneran-tany, mampiasa vola hatramin’ny 30 tapitrisa euros. Nomarihiny fa endrika kaoperativa ny fomba fiasany, ka tsy maintsy manana ny magazainy ny mpiara-miombon’antoka aminy, toy ny Habibo raha ny eto Madagasikara.
Nilaza ny filohan’ny Vondrona Habibo, Malick Kamaly, fa tanjona ny hivarotana vokatra tsara kalitao amin’ny vidiny mora, zakan’ny mpanjifa tsy ankanavaka.
Njaka A.