Ambato Boeny : dahalo raindahiny maty voatifitra

Maty nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Ampasi­tapaka, kaominina Anjiajia, distrikan’Ambato Boeny, ny alatsinainy 16 oktobra teo. Naka omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy maromaro ary nivimbina fitaovam-piadiana. Raikitra anefa ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana rehefa lasa ny omby. No­sakanana avokoa ireo kizo ahina hitsoahan’ireo mpangalatr’omby. Nifampitifitra ny mpitandro filaminana sy ny dahalo tao amin’ny kizon’

i Bemakamba, fokontany Bevilany, tamin’ny 5 ora hariva. Latsaka teny amin’ireo dahalo, tamin’io fotoana io, ny omby halatra. Voan’ny bala koa ny iray tamin’ireo dahalo. Naratra mafy ity farany ka nitarika tamin’ny famoizany aina. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana sy ny fokonolona ireo olon-dratsy mpandroba omby anatin’ny distrikan’Anjiajia ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: