Nitohy omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny atrikasa «Hay», natokana ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 12 taona. Raha tsiahivina, fampianarana ny tontolon’ny tenona no ampiofanana ireo kilonga ireo ao anatin’izany. Ankoatra izay, misy ny fampahafantarana ireo mpiofana ny mahakanto ny zavakanto. Tanjona ny hitaizana ny ankizy ao anatin’ny haikanto mba ho fikolokoloana azy ireo sy ho famerenan-kasina ny haikanto.
“Tisser des histoires”, io no lohahevitra voizina ao anatin’ izao atrikasa fanenomana, teny amin’ny Fondation H Ambatomena izao. Raha tsiahivina, andro fahatelo amin’ny atrikasa iny notanterahina omaly iny. Ny tantaran’ny fanenomana sy ny fomba fanatanterahana azy ary ny fanehoana ny maha kanto azy no hampianarina sy hampahafantarina ao anatin’izao atrikasa izao. Mandritra ny andro faran’ny atrikasa, hisy ny fanehoan’ireo ankizy ny nampianarina azy ireo nandritra ny fiofanana in-efatra. Anisan’ny hatao modely sy fakan-tahaka ho an’ireo mpiofana ny lamba notenomin’i Madame Zo. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, nosafidina manokana izany haikantony izany noho izy nahafehy ny fanenomana taloha sy ny amin’izao fotoana.
Lin