«Basikety N1A» : hifanandrina voalohany ny Ascut sy ny As Fanalamanga

Hanomboka anio alakamisy 19 oktobra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara N1A lahy sy vavy.

Hisantatra ny fifaninanana ny Ascut sy ny AS Fanalamanga, eo amin’ny sokajy lehilahy. Ekipa mendrika indrindra, nandritra ny dingana voalohany, miisa 8, ny hiady ny amboara, eo amin’ ny sokajy N1A lehilahy. “Top 8” ny iantsoana ny fifaninanana ary tena hiady ny lalao satria sangany avokoa ireo mpifanandrina. Efa fantatra avokoa ny fandaharam-potoana rehetra ary ho ampiasaina ihany koa ny Petit Palais amin’ity andiany ity hanafainganana ny fifaninanana. Hifandona voalohany, anio amin’ny 11 ora sy sasany, ny ekipan’ny Ascut Atsinanana sy ny As Fa­na­lamanga, sokajy lehilahy. Hitohy amin’ny fihaonan’ny GNBC Analamanga sy ny BCB Boeny izany, amin’ny 1 ora sy sasany. Hiakatra an-kianja anio amin’ny 3 ora sy sasany kosa ny TGBC Be­tsi­boka sy ny SBC Vaki­nan­karatra ary hamarana ny fifaninanana anio, ny fifanandrinan’ny COSPN Analamanga sy ny MBC Atsinanana. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, rahampitso zoma 20 oktobra no hiditra an-tsehatra, hiatrika ny dingana faharoan’ny N1A ireo vehivavy. Hifanandrina voalohany amin’izany, amin’ny 9 ora maraina, ny TGBC Betsiboka sy ny NB2All Analamanga. Hitohy amin’ny fihaonan’ny GNBC Anala­manga sy ny ekipan’ny serasera Vakinankaratra izany, amin’ny 11 ora latsaka fahefany. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana ny sabotsy sy alahady satria samy hisy lalao avokoa ao amin’ny efitra lehibe sy ny efitra kely, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva.

Na­namafy ny federasiona fa hilamina ny fifaninanana ary miantoka tanteraka ny filaminana ny mpikarakara. 4 000ar ny vidim-pidirana izay jifaina eny an-toerana ary 30 000 Ar ny tapakila fanasana. Ha­haritra hatramin’ny 29 oktobra izao ny fifaninanana.

Mi.Raz

Partager sur: