Fitaterana an-kamiao, mampiasa lalam-pirenena : hanjakan’ny hala-danja sy fisolokiana avolenta

Hanjakan’ny fom­ba fisolokiana avo­lenta sy halatra eo amin’ny fandanjana fiara ny mpampiasa fia­ra vaventy eny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Tsy maintsy mandalo amin’ny fandanjana, izay tantanan’ny sampandraharahan’ny fitaterana sy ny asa vaventy avokoa ireo kamio.

44 t ny vesatra ara-dalana, PTR (Poid Total Régulier),
azon’ny fiara entina, mivoaka ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, raha ny nambaran’ ny mpitatitra iray nanaovana fanadihadiana. Mbola azo ekena ny kamiao mitondra entana 48 t ka misoratra mazava ny antontan-tarata­sin’entana. Rehefa mandalo amin’ny fandanjana fiara, handoavana 20.000 Ar isaky ny taonina izany. Ny 4 t amboniny handraisana rosia elektronika mazava. Mialoha ny hivoahan’ny kamiao ivelan’ny seranan-tsambo, tsy maintsy mandalo scaner. Eo no hamantarana ireo karazan’ entana rehetra entin’ilay fiara. Raha misy tsy azo antoka na mampisalasala ny fizahan’ny scaner, tsy maintsy avoaka tsirairay ny fonosan’ entana anaty kaontenera. Mba hahafahana manamarina ny ara-fizika sy ny lanjan’entana. “Fanara­rao­tana hakana vola amin’ny mpitatitra ny filazana fa maty ny “scaner” mateti-pitranga, rehefa te haka vola amin’ny tompon’ny kamiao izy ireo”, hoy ny mpitatitra iray tsy nitonona anarana. Ankoatra izay, mbola manakarama mpibata entana ihany koa ny mpamily. “Sady lany fotoana no lany vola, voatery manolotra volakely vao afaka mandeha” , hoy hatrany izy.

Manana fitaovam-pandanjana roa
Ankoatra ny fandanjana ao anatin’ny seranan-tsambo, mi­sy fitaovam-pandanjana roa ivelan’ ny tanàna hidirana ny lalam-pirenena faharoa. Hita ao Antanandava sy Bari­ka­di­my izany. Talohan’ny fitokonan’ny mpiasa eo anivon’ ireny fandanjana fiara eny amin’ny lalam-pirenena ireny. Ahitam-piakarana ny vesatry ny entana miainga any amin’ny seranan-tsambo sy eny amin’ireo mizana roa ireo. 44 t lasa ho 52 t, mampitaraina ny mpitatitra izany. Raha 48 t indray izy mivoaka ny seranatsambo, lasa ho 56 t izany avy eo.
Voasazy handoa onitra hatramin’ny 600 000 Ar ny mpamily iray raha mandika ny lalàna. Mandoa io lelavola io izy raha tsy manaraka ny vesatra takina na ahitana fiakarana ny vesatry ny kamiao sy ny entana hoentiny.

Tsy latsaky ny 1 000 000 Ar ny vola miala amin’ny mpitatitra manomboka eo amin’ny seranan-tsambo hatraty An­tananarivo.

Miakatra ny vidin’entana hafarana avy any ivelany

Miakatra isan’andro ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavanandro (PPN) manerana ny Nosy. Mikaikaika, noho izany, ny mpanjifa amin’ny lafiny maro. “Efa mananika ny 5 000 Ar ny fiakaram-bidin’ny vola vahiny toy ny dolara sy Euro ary mihendanja isan’andro izany”, hoy Ramena Sylvain Cyprien, mpahay toekarena. Nohamafisiny fa vola vahiny no hampiasain’ny firenena malagasy hanafarana entana any ivelany. Ankehitriny, ny fanafarana no betsaka fa tsy manondrana mihitsy ny eto an-toerana. Mahatonga ny fiakaram-bidin’ny entana ilaina andavanandro izany, toy ny vary, siramamy, menaka. “Tokony hiezaka hanondrana entana sy vokatra ara-dalàna ho any ivelany i Madagasikara, toy ny hazandrano, lavanila, jirofo, kafe, dipoavatra mena na mainty, katsaka, volamena, vatosoa”, hoy hatrany izy.
Milaza ireo mpandraharaha ara-toekarena mampiasa ny lalam-pirenena faharoa, Toamasina, fa olana ny tsy fahampian’ny kaontenera sy ny fiakaran’ny vidiny na ny hofany. Tsy maintsy manofa na mividy kaontenera nefa. Manodidina ny 15 tapitrisa Ar ny hofan’ny kaontenera iray “20 pieds” ao anatin’ny 24 ora raha hiakatra hihazo ny lalam-pirenena. Raha 8 tapitrisa Ar izany teo aloha. 40 tapitrisa Ar kosa raha vidiana tolo-botsotra, raha 10 tapitrisa Ar izany teo aloha. Raha ny kaontenera “40 pieds” kosa, 25 tapitrisa Ar ny hofany isaky ny 24 ora raha hihazo ny lalam-pirenena. 75 tapitrisa Ar kosa raha vidiana tolo-botsotra ny kaontenera iray 40 pieds. Ankehitriny, tsy mahita intsony na ho vidina na hofaina

Nanatontosa : Sajo

 

Partager sur: