Fanaon’ny Vondron’ny mpitatitra GPM, isaky ny volana oktobra toy izao, ny manamafy ny fanentanana ny mpitatitra sy ny mpampiasa lalana. Tanjona ny hitandreman’ny mpisehatra rehetra, mba hisorohana ny lozam-pifamoivozana.
Manao hetsika manokana, ho fanentanana sy fanabeazana ny mpisehatra amin’ny fitaterana sy ny mpampiasa lalana ny Vondron’ny mpitatitra eto Madagasikara (GPM), isan-taona. Miara-mientana amin’izy ireo amin’izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT).
Natomboka omaly, teny amin’ny Toby fiantsonana Maki Andohatapenaka ny hetsika. Nilaza ny solontenan’ny minisitera MTM, fa fanao isaky ny volana oktobra toy izao ny fanentanana sy ny fanabeazana. Efa nisy koa ny fanentanana tany an-tsekoly manamorona ny lalam- pirenena faharoa (RN 2) sy ny fahafito (RN 7).
Anisan’ny tena kendrena manokana amin’ny fanabeazana ny mpamily, mpisehatra voalohany amin’ny fampiasana ny lalana. Satria iaraha-mahita ny fisian’ireny lozam-pifamoivozina ireny, izay miteraka voka-dratsy amin’ny lafiny toekarena sy ny ain’ny olombelona. Koa, hamafisina hatrany ny fanentanana azy ireny, amin’ny fitandremana tsy maintsy atao.
Haharitra iray volana ity fanentanana sy fanabeazana ity. Eny amin’ny toby fiantsonana eny Ampasampito indray avy eo sy any amin’ireo toby tantanin’ny tsy miankina, toy ny eny Ambodivona, toy ny an’ny Kofimanga sy ny kaoperativa hafa.
Anisan’ny hamafisina ao anatin’ny hetsika ny lafiny fitantanan’ny biraon’ny kaoperativa, mifanaraka amin’ny bokin’andraikitra. Eo koa ny fampiasana ny kahiebe, ahitana ny lisitry ny mpandeha, ny mombamomba azy, toy ny anarana, ny laharana karapanondro, ny toerana niaingana sy ny aleha, ny laharana finday, sns.
Njaka Andriantefiarinesy