(FMF) : hatao anio ny famindram-pahefan’ny filoha

Araka ny fampitam-baovao, hotanterahina anio alakamisy 19 oktobra, etsy amin’ny efitrano malalaky ny kianja Barea Mahamasina, ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny teo aloha, Andrianiony Victorien.
Araka ny lalàna, tsy main­tsy niandry 2 andro taorian’ny fahavitan’ny fifidianana, ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana (CENI), sao misy ireo kandidà mpifaninana ho an’ny filohan’ny federasiona na ireo tao amin’ny komity mpanatanteraka, nanao fitarainana mahakasika ny latsabato.
Tsy nisy nametraka taratasy fanakianana iny fifidianana iny, noho izany, afaka hirosoana ny famindram-pahefana. Tsiahivina fa ligim-paritra miisa 14 no nifidy an-dRandriamanampisoa Alfred ka nahalany azy, hitondra ny federasiona mandritra ny taom-piasana 4 (2024 – 2027). Ankoatra izay, andrasan’ny rehetra amin’ity anio ity ny ho firafitry ny mpikambana ao anatin’ity federasiona vaovao tarihin’i Alfred Randriama­nam­pisoa ity.
Hahaliana ny mpanara-baovao sy ny mpitia baolina kitra ihany koa ny hahafantatra izay ho sekretera jeneraly sy izay hipetraka eo amin’ny toeran’ny tale teknika nasionaly (DTN), ary ny ho mpanazatra ny Barea, izay samy tendrena fa tsy fidina.

Tompondaka

Partager sur: