Hitandroana ny fahasalamana, misy fihetsika tsara ho fantatra manoloana ny vanim-potoana mafana. Ilaina ny misotro rano madio matetika, 1,5 l isan’ andro, ny mitondra fitafiana maivana sy satroka. Tokony hatao azon’ny rivotra tsara ny trano fonenana sy ny toeram-piasana ary aleo mipetraka amin’ny toerana maloka sy mangatsiatsiaka. Zava-dehibe ny fahadiovan’ny vatana ka mila mandro isan’andro.
Mbola lafo ny vidin’ny voankazo amin’izao fotoana izao eny an-tsena. Manodidina ny 5 000 Ar ka hatramin’ny 6 000 Ar ny kilaon’ny manga arakaraka ny sokajiny sy ny habeny. 5 000 Ar koa ny pasteky iray ary 5 000 Ar ny kilaon’ny voasary. Ny akondro efa vidiana 3 000 Ar ny kilao raha 6 000 Ar ny kilaon’ny papay sôlô.
Fampianarana momba ny diabeta sy ny vohoka, ho an’ny vehivavy diabetika mitondra vohoka no lohahevitra eny amin’ny Amadia Faravohitra ny ny sabotsy izao. Hiresaka momba ny diabeta madritra ny vohoka ireo mpitsabo, eo koa ny fisorohana sy ny fitandremana mandritra izany.
Notokanana tamin’ity herinandro ity ny akany Fampivoarana ny vehivavy ao amin’ny faritra Itasy, izay karakarain’ny fikambanan’ny masera Ursulines de Jésus. Fanarenana ireo vehivavy hahaleo tena amin’ny fivelomana no tanjona. Manome tanana amin’ny fanohanana ny ezaka toy izao ny minisiteran’ny Mponina.