malagasy mpanakanto : mamiratra atsy La Réunion i Erinia

Tanora mpanakanto, mpihira vao misondrotra, i Erinia, avy any amin’ny faritra Sofia ary monina atsy La Réunion. Na izany aza, efa tena milomano ao amin’ny tontolon’ny mozika. Nambarany fa efa hatry ny fony kely izy no tia nihira sy nandihy. «Efa mpandihy an’i Chila aho, ao anaty horonantsary an-kira telo. Lehibe niaraka tamin’ny mpanakanto maro aho, izay mivoy gadona maro samihafa”, hoy ihany izy.
Anisan’ny nanombohany nihira tao amin’ny fandaharana mpihira, ny «label Run hit». Misy hira roa efa azon’ny mpankafia jerena ao amin’ny You Tube, mitondra ny lohateny «Bobo» sy ny «Sen­ti­ments». Nandray anjara ta­min’ny fanafanana ny lanonana fifidianana Miss 2023 tatsy La Réunion i Erinia, ny alakamisy 12 oktobra 2023 teo. Maro ny mpijery nankafy azy, babo tamin’ny kanto nasehony. Notsoriny fa hanohy haneho ny talentany izy ary hiezaka hamiratra hatrany.
Lehibe tany La Réunion i Erinia ary nanohy ny fianarany tany Frantsa taorian’ny nahazoany ny Bakalorea ara-toekarena sy sosialy (ES). Nifindra tany Soisa indray avy eo ary niverina atsy La Réunion vao tsy ela akory izay.

Njaka A.

Partager sur: