Mitovy fa tsy sahala

 

Zava-dehibe ny fahitana ireo mpitandro filaminana niditra an-tsehatra mialoha, nisoroka izay mety ho fifandonan’ny samy vahoaka nanao fihetsiketsehana. Raha maty henjika ny zandarimariam-pirenena nandritra ny herinandro vitsy, nahazo dera sy fankasitrahana tamin’ny mpanohana ireo fiombonamben’ny kandidà kosa omaly. Vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary miverina amin’ny vahoaka ny teny niverimberina.
Mazava anefa ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana : sady tsy mitanila no tsy manana firehana politika izy ireo. Mandamina izay azo alamina sy mampihatra ny lalàna raha ilaina ny iraka nankinina aminy. Tsy tokony hisy, araka izany, ny mamboly fankahalana azy ireo, na manangam-pahavalo. Mpiasam-bahoaka tahaka ny rehetra izy ireny ka tsy mendrika fampisaraham-bazana.
Tsy fotoan’ny fampiadiana ny mpitandro filaminana rahateo izao, eto Madagasikara. Efa iaraha-mahita ny zava-misy sy ny fizotry ny toe-draharaha politika. Hetsika roa samihafa, saingy iray ny tanjona dia ny fikatsaham-pahefana. Mitovy fa tsy sahala, hoy ny fiten-dRamalagasy mahazatra. Ny lalana no samy manana ny azy, fa eny an-dapa no ho fiantsonana farany.
Nosy i Madagasikara, tsy mendrika fisaraham-bazana. Politika no atao ! Tokony ho vaindohan-draharaha ny fikatsahana ny fampandrosoana sy ny fitsinjovana ny mahasoa ny olompirenena. Aiza no alehan’ity vahoaka 25 tapitrisa raha sanatria ka samy hitondra ny lohany ireto be basy aman-tafondro ? Hafa tanteraka ny hodidina malagasy sy ilay atao hoe eto Madagasikara. Tsy hitovy velively amin’ny kaontinantaben’i Afrika.
Mila mandanjalanja ny fihetsika mamoehatra sy ny vava havoaka ny ankolafin-kery rehetra. Tsy fotoan’ny fitsapatsapan-doza izao ka hirona amin’ny ady an-trano sanatria !

r.r

Partager sur: