Hafana indray ny lalao rugby “Federal 2” izay hatao etsy Andohatapenaka, amin’ny alahady ho avy izao. Hanokatra ny fihaonana amin’izany, ny fihaonan’ny FTA Anjanahary sy ny 3F5 Amboditsiry. Tsiahivina fa ny ekipan’ny 3F5, efa nahazo fandresena nanoloana ny FTAM Mandrangobato, tamin’ny isa tery, 26 no ho 23, ny alahady 1 oktobra 2023 teo. Etsy ankilany, ny ekipan’ny FTA Anjanahary, lavon’ny FTAM, 24 no ho 56, nandritra ny andro faharoan’ny Federal 2, ny 15 oktobra lasa teo. Azo heverina fa ho toy ny famaranana ity lalao voalohany ity, tsy maintsy haka fandresena ho azy ny mpilalaon’Anjanahary raha toa ka tsy hanaiky ho resy ny ekipan’Amboditsiry.
Ankoatra izay, mbola hisy lalao efatra aorian’io. Anisan’izany, ny lalao hikatrohan’ny Hiza 17 Angarangarana sy ny AFA Ankazomanga. Ny fifandonan’ny SOE Stade sy ny XV Beravina. Ny fifanandrinan’ny CRAI Ambalavao Isotry sy ny Matadorea Anosipatrana. Hamaranana izany ny lalao hihaonan’ny ASA Ambohimanarina sy ny FTA Andavamamba.
Raha ny fandaharana navoakan’ny Malagasy Rugby, tao anatin’ny tambajotran-tseraserany omaly, hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny lalao.
Fitia Randria